ActualitésTatitra

Climat : Firenena manodidina 200 no nandinika ny tatitra nataon’ny Giec

Mirakitra ny vinavinan’ny toetr’andro vaovao nanomboka ny alatsinainy teo ity tatitra nataon’ireo manam-pahaizana manokana mahakasik’izany ao amin’ny ONU ity. Firenena 195 no mandinika ny mahakasika izany rehefa niatrika tondra-drano sy ny haitany matetitetika.Nankatoavin’ireo firenena 195 ireo ity tatitra mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fepetra tokony ho raisina ity. Nitotona tao anatin’ny loza naterakin’ny fiovan’ny toetr’andro mihitsy ity fanambarana vaovao nentin’ny vondron’ny manam-pahaizana iraisam-pirenena ity. Raha tsy hilaza fotsiny ny tao Chine, Allemagne, Canada ary Inde.Tokony hivoaka amin’ny fomba ofisialy amin’ny 9 aogositra izao ity tatitry ny Giec ity. Mbola ho dinihin’ireo mpanapa-kevitra mandritra ny 2 herinandro ireo teboka maromaro ao anatin’izany, fiakaran’ny mari-pana maneran-tany, fiakaran’ny haavon’ny ranomasina, fanamafisana ireo tranga mampidi-doza.

Laisser un commentaire