Manao antso avo amin’ny fitondrana ny mpiasan’ny Instat
Niantso vonjy sy nitaraina mivantana tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Ntsay Christian ireo mpiasa « de droit privé » ao amin’ny ivontoeram-pirenena misahana ny antontan’isa (Instat). Efa nalefan’izy ireo ny taratasy fangatahana fampidirana ireo mpiasa tranainy amam-polo taona tsy latsaka ho mpiasam-panjakana raikitra saingy tsy mbola misy valiny. Mitalaho ny mba hijerena haingana ny mikasika izany izy ireo.
« Efa eny anivon’ny primatiora ny fanapahana mikasika izany » hoy nefa ny mpitantana eny anivon’ny Instat sy ny minisitera misahana ny toekarena sy ny tetibola (MEF). « Taitra izahay nahare tamin’ny filazam-baovao fa efa mandeha avokoa ny eny amin’ny ministera hafa » hoy kosa ireo mpiasa ireo voakasik’izany.
Nitaraina mahakasika ny tsy fiahiana ara-pasalamana azy ireo ihany koa ny mpiasan’ny Instat. « Efa hatramin’ny taona 1996 izahay no tsy mba nisitraka ny volan’ny CNaPS izany » hoy izy ireo, « tsy mba mahazo izany fikarakaràna ny fandaniana ara-pahasalamana sy ny ara-tsosialy izany ihany koa io sata arak’asa io, na tao anatin’ny valan’aretina aza ». « Anisan’ny fototra iray iaingan’ny fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana ny firenena nefa ny fikarakarana ny antontan’isa, ary lehibe ny zavabitan’ny Instat » hoy ny fitarainan’izy ireo.
« Tsy ianaraeo ihany no tsy mahazo izany fa ny mpampianatra sy ny Paramed ary ireo sehatra sasan-tsasany hafa ihany koa » hoy ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra iray. Iza izany no tsy manao tsara ny asany ao anatin’izany ?
Hasina Rasamimanana
