Fampianarana : Miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra isam-paritra ny fiatoana
Araka ny fantatra moa dia hahery vaika ity rivo-doza Freddy ity ka mitaintaina ny Ray aman-dReny mahakasika ny fisian’ny fampianarana na fiatoan’izany. Nanambara avy hatrany anefa ny Ministera fa ny fandraisana fanapahan-kevitra dia miainga avy amùin’ny tompon’andraikitra isam-paritra izay mifandray amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha.
« Anjaran’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny fanapahan-kevitra hitondrana ireo mpianatra ao an-dakilasy. Anjaran’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Dren) sy ny fari-piadidian’ny sekoly (Cisco), ny fifampidinihana amin’ny fandrindrana ny fitantanana ny risika sy ny loza (CRGRC), ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika ny fampiatoana mazava ho azy », hoy ny Ministera tamin’ny Naoty izay navoakany.
« Mbola ho an’ny Fampianarana amin’ny ambaratonga ambany ihany izany naoty izany dia ahoana ny mahakasika anay ? Amiko aloha ny tena fahendrena angamba dia mampiato ny fampianarana amin’ny ambaratonga rehetra satria samy aina avokoa izany. Mety hoe efa olon-dehibe afaka miaro tena kanefa ny tampoka tsy maha-lehilahy », hoy i Angelo, mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Araka izany rehetra izany anefa dia ny zava-misy eny an-toerana sy ny haavon’ny fahamalinana no handraisana izany fanapahan-kevitra izany. Ny fotoana toy izao indrindra no tokony hieritreretana ny fanovana ny rafi-papianarana mba tsy hampisy ny fahabangana be loatra.
Miora Raharisolo
