Rivo-doza Freddy: Vinavinaina hiditra an-tanety anio alina na rahampitso vao maraina
Vinavinaina hiditra eto Madagasikara ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ity rivo-doza Freddy ity. Voasokajy ho rivo-doza mahery vaika izy izay mitondra tafiotra hatramin’ny 250km isan’ora eo amin’ny manakaiky ny foibeny. Na dia fantatra aza fa efa mihena ny heriny dia mbola ahiana mafy ihany ny mety ho vokany.
« Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vatomandry sy Manakara izy ny Talata alina ka vinavinaina ho 175 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy sy tafiotra 245 Km/ora amin’izay fotoana izay. Hikija ny rotsakorana, hahery be na hisamboaravoara ny ranomasina, mety hahatratra hatramin’ny 10 metatra ary ahiana mafy ny fiakaran’ny ranomasina indrindra manamorona ny faritra hidirany an-tanety. Hahery be ny ranomasina mialohan’io fahatongavany io sy mandritra izany ka tsy misy intsony ny olona afaka miandriaka mandritra izany », hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.
Filazana fanairana miloko maintso no homena an’ny Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe, ny distrikan’i Moramanga, Anosibe An’ala, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II. Araka izany dia iangaviana ireto faritra ireto mba hanamafy ny fiomanana ka hampiatra ny fepetra mikasika ny filazana loza manambana miloko mavo: Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany.
Toy izay efa fanao hatramin’izay dia ilaina hatrany ny miomana ka hanampy ny fanindriana ny tafo ho mafimafy kokoa, hanapaka ny hazo izay hatahorana hianjera, hanangona ireo sakafo izay azo hatao tahiry satria mety hampatahotra ny mivoaka mandritra ny rivo-doza. Samia mailo sy miomana ka tsy hadinoina mandritra izany ny fihainoana tsy tapaka ny vaovao sy ny fivoaran’ity rivo-doza ity.
Miora Raharisolo
