Talata Volonondry : Nisy ny fiaraha-mientana amin’ny fambolen-kazo
Nisy ny fiaraha-mientana tamin’ny fambolen-kazo notanterahina tao amin’ny kaominina Talata Volonondry, izay niarahan’ny ben’ny tànana ao an-toerana nandray anjara sy ireo fikambanana isan-tsokajiny ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo.
« Isaorana ny rehetra tonga nanatanteraka ny adidy masina, nanatanteraka an-tsitra-po sy am-pitiavana ny fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fitsinjovana ny taranaka amam-para » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry.
« Vita soa aman-tsara ny adidy ho an’ny tanindrazana amin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ho lovain’ireo taranaka. Zava-dehibe tokoa izao satria antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra » hoy i Andry, mpikambana ao amin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana.
Adidy masina amin’ny taninjanaka ny fambolen-kazo ary tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanatontosana sy ny fampatsiahivana ny olona rehetra ny tokony hanatanterahana izany. Ilaina ihany koa anefa ny fikoloana sy fanaraha-maso ireo hazo novolena izany mba tsy ho very maina ireo ezaka atao.
Manitra R.
