ActualitésTsidika

Ambohimanarina : Nosamborina ireo roa lahy nanao herisetra tamina mpivady sy lehilahy hafa iray

Nivoaka niparitaka nanerana ny tambajotran-tserasera facebook ilay herisetra nataon’ireo roa lahy tamin’ilay mpivady sy ilay lehilahy niezaka nandamina ny ady teny Ambodimita Ambohimanarina. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy roa lahy mpisetrasetra ireto satria tsy azo ekena mihitsy ny herisetra tahaka izao.

« Samy nametraka fitoriana avokoa na izy mivady nitondra ny moto na ilay lehilahy niezaka niaro azy mivady ka niharan’ny herisetra ihany koa » hoy avy eo amin’ny Polisim-pirenena. « Avy nisotrosotro ireto roa lahy ireto ka niseho ho be sandry tamin’ilay mpitondra moto sy lehilahy hafa niaro azy » hoy i Holy, mpivarotra teo amin’ny manodidina. « Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy roa lahy rehefa vita ny famotorana atao aminy » hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny Polisy.

Anterina hatrany fa tsy azo ekena ny fanaovana herisetra toy izao na iza izy na iza ary na inona na inona antony. Enjehin’ny lalàna izany ka aleo misoroka hatrany toy izay mitsabo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire