ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny andrana famerenana ny vata fanapahana herinaratra nataon’ny jirama

Efa zary lasa fahazarana sy fiainana andavan’andron’ny mponina ankehitriny ny fahatapahan-jiro. Saika niverina matetika izany tato ho ato, ary niharan’izany avokoa ny ankamaroan’ny faritra ao an-drenivohitra sy ny manodidina. Araka ny voalaza, tsy mitsahatra ny manao asa ireo teknisianina avy ao amin’ny orinasa jirama ary efa nisy ny andrana fameranana ny vata fanapahana herinaratra (disjoncteur) mampandeha ny herinaratra, tamin’ny faran’ny herinandro teo.

« Anisan’ny mitaky fampihatoana ireo antsoina hoe départs ny fanarenana ilay vata fampandehanana herinaratra izay mampandeha ny herinaratra eny amin’ireo sous station Tana sud sy Tana oust ; antony nahatonga ny fiverenan’ny fahatapatahana mifandimby tamin’ny faritra maro satria nahitana fahasarotana ny fanaovana izany andrana izany » hoy ireo teknisianina avy ao amin’ny Jirama.

« Efa ho lava reny ny fanarenana izay ataon’ny orinasa Jirama. Hatreto aloha tsy mbola hita mazava anefa izay tena vokatry ny ezaka izay ataon’izy ireo. Ny vahoaka mpanjifa dia efa leo indrindra eo amin’ny fiakaran’ny vidin-jiro na dia hita mamely aza ny delestazy » hoy i Thierry, mponina ao Ambohimanambola.

Efa maro amin’ireo mponina ao an-drenivohitra tokoa no nanao fidinanana an-dalambe manoloana ny fahatapahan-jiro lavareny miseho ity. Na dia hita fa manao ny asa tandrify azy aza anefa ny orinasa jirama, mila asiana fanatsarana ihany koa ny eo amin’ny fitaovana ampiasaina, ary mila hanaovana ezaka mba hamahana izao olana izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire