Comores : Efa tonga ao amin’ny nosy ilay « câble 2Africa »
Tonga ao amin’ny nosy Comores ny « câble 2Africa » rehefa nandalo « points d’atterrissage » 46 isa tamin’ny firenena 33 tamin’ny kaontinanta 3 : Europe, Asie ary Afrique. Tari-by lava indrindra eran-tany io nigadona ao an-toerana io izay mahatratra 45 000 km ary manana fahafahana 500 Go, raha 26 Go monja izany ho an’ny « câble Eassy ».
Nanamafy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny toekarena nomerika ao amin’ny nosy, Kamalidini Souef fa fiaraha-miasan’ny firenena tamin’ny Saudi Telecom Company no nahafahana nisitraka io tari-by io.
