ActualitésTsidika

Foto-drafitr’asa : Ao Iarinarivo no hasiana ilay fanarina fotaka avy amin’ny lakandrano C3

Araka ny efa fantatrta dia ao Iarinarivo no hametrahana ilay lavaka lehibe izay natao handevenana ny fotaka avy amin’ny lakandrano C3. Heverina hanomboka ny tapaky ny taona 2023 no hanatanterahana izany tetik’asa lehibe izany.

« Foto-drafitr’asa natao handevenana ny fotaka noesorina avy ao amin’ny lakandrano C3 izy ity, izay natao hanaraka ny fenitra hentitra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana an’Antananarivo tsy ho tratran’ny tondra-drano ity tetikasa ity. Efa vita ny taratasy sy ny fandoavana ny tambiny ho an’ireo voakasik’izany tetik’asa izany », hoy ny avy ao amin’ny mpanatanteraka ny tetik’asa.

« Efa nisy ny fifamaliana sy ny olana isan-karazany teo amin’ny vahoakan’Iarinarivo sy ny mponin’Antananarivo saingy mbola tao hatrany ny fihavanana amin’ny maha Malagasy ka tsy ny miady no tsara fa ny mihavana. Izany no tokony hisaoran’ny vahoakan’Antananarivo ny mponina ao Iarinarivo », hoy ny Ministera tompon’andraikitry ny tetik’asa.

Ankoatra izany dia maro ireo foto-drafitr’asa izay namboarina hoan’ireo vahoaka ao anatin’ity Kaominina ity. Izany no natao dia mba entina hampandrosoana hatrany ny tontolo ambany vohitra toa an’ny Iarinarivo. Mitentina 125 tapitrisa moa ny vola entina hanatanterahana izany tetik’asa lehibe izany izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire