Ambohimangakely : Mangataka ny hijerena ny lalana ao Ikianja ny mponina
Misy ny lalana tena mbola ratsy ary manano sarotra ny mponina ny fampiasana azy ao amin’ny faritra Ikianja, kaominina Ambohimangakely. Mangataka ny hijeren’ny tomponandraikitra izany ireo mponina, indrindra ny fanamboarana izany.
“Tena mahakivy raha haratsian’ity lalana ity. Tokony mba jeren’ny tomponandraikitra ka ampidirina ao anatin’ny tetikasa Lalan-kely satria maro ny mpampiasa azy kanefa ilay lalana tena mampiteny ny moana” hoy I Fidy, mpitondra fiara.
“Ilay rano vaky amin’ity lalana ity no mila jerena voalohany satria io no tena manimba io lalana io. Avy eo amboarina tanteraka ny lalana. Maro ny mpampiasa azy io ary anisan’ny manimba fiara mandala eto ka tokony jerena malaky” hoy I Lydia, mponina ao Ambohimangakely.
Maro ireo lalana simba mila fanamboarana, izay angatahin’ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ankoatra ity lalana ao Ikianja dia manaitra ny tomponandraikitra hitondra fanamboarana ny lalana ao Behitsy, Tsarahasina, ary ireo lalana tena be mpifamezivezy kanefa ratsy, ihany koa ny mponina.
