Pays-Bas : Tompondakan’ny toerana famahanana fiara mandeha amin’ny herin’aratra
Tsy misy firenena européen manana toerana famahana fiara elektrika maro ankoatra an’i Pays-Bas. Ity farany izay marefo manoloana ny fiafanan’ny tany, antony maha maro ny fiara elektrika ao an-toerana. Anisany tanjon’ny governemantan’i Pays-Bas mantsy ny fampiasan’ireo mponina rehetra ao aminy fiara elektrika manomboka ny taona 2030.
Isaky ny zoron-dalàna dia ahitana Tesla, Volvo sy karazana fiara elektrika amin’ireo toerana voatokana amin’ny fahamahana azy ireo. Efa mahatratra 75 000 izany tobim-pamahana fiara elektrika izany ao an-toerana izay efa ampahatelon’ny fitambaran’ny mponina ao amin’ny Union Européenne.
