ActualitésTsidika

Alasora : Nifanome tanana hanamboatra ny lalana ny mpiara-monina

Manoloana ny faharatsian-dalana amin’ireo faritra maro ao amin’ny kaominina Alasora, dia nisy ny fiaraha-mientana nataon’ireo mpiara-monina tamin’ny fanamboaran-dalana tamin’ity herinandro ity.

« Efa manomboka ny asa ary hirariana ny ahavitan’izany soa aman-tsara. Lalana anisan’ny tena ratsy indrindra ary mampijaly ny mpandeha izy ity, indrindra fa ny mpampiasa fiara ka izay no anton’ny nisian’ny fiaraha-mientana ho fanamboarana izany. Tsy vitan’ny mponina irery anefa izany fa mbola hangatahana tolo-tanana hatrany amin’ny tomponandraikitra samihafa,indrindra ny kaominina » hoy i Aina, mponina ao Alasora.

« Ilaina foana ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina. Tsy voatery hiandry tomponandraikitra vao afaka manao asa fampandrosoana, tahaka izao fanamboaran-dalana izao fa ny fahatsapana fa manana andraikitra ny tsirairay ary manana anjara biriky ho fanatsarana ny fananana iombonana no tena zava-dehibe sy antoky ny fampivoarana» hoy i Hasina, mpianatra momba ny fiaraha-monina.

Ao anatin’ny fanatanterahana izao asa izao moa, dia miandry ny fanampiana sy ny tolo-tanana avy amin’ny kaominina ireo mponina.

Laisser un commentaire