ConseilTsidika

Ny Rovan’Antongona

Toerana iray tafiditra ao anatin’ny vohitra masina 12 nametrahan’Andrianampoinimerina ny vadiny ny Rovan’Antongona, 36km andrefan’Antananarivo, eo amin’ny 6km any avaratry ny tanàna kelin’Imerintsiatosika, dia antongotra adiny iray miala eo. Any amin’ny faritr’Imamo no misy azy, faritra mahaleo tena ara-tantara nefa mibahan-toerana amin’ny tantaran’Imerina. voasokajy ho Lova Iraisam-pirenena Unesco nanomboka tamin’ny 1997 tamin’ny alàlan’ny reference 951.

Ahitana toerana roa ao Antongona : vato kambana mirefy 1406m ny haavony, ary Ambohirandrana, izay mirefy  1515m. Samy misy fiarovana mafy sy manda vato ary tatatra. Ireo toerana roa ireo dia mifamatotra amin’ny lalana iray izay niorenan’ny tranon’ilay tanàna taloha, rava ankehitriny. Miorina amin’ny vatolampy granita lehibe iray ireo toerana roa ireo.

Misy tranombakoka miorina eo akaikin’ny tranon’ny mpanjaka izay ahitana sary sy zavatra nentim-paharazana ary fitaovana. andavanandro.Ahitana valan’omby izay mifefy tamboho ihany koa.

Laisser un commentaire