Ambohimanga rova: Lehilahy mpamaky trano tratran’ny mponina tamin’ny andro atoandro
Lehilahy iray no tratran’ny mponina namaky trano tao Ambohimanga rova, tamin’ny alarobia teo. Andro atoandro be nanahary no nanaovany izany asa ratsy izany, ary nilaza ity lehilahy fa maro ireo namany, araka ny voalaza.
« Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Mandry tsy lavo loha ny mponina ary miambina andro aman’alina noho ny fisian’ireo olon-dratsy sy tia kely mpandrona ny hasasaran’ny hafa. Mila faizina sy omena sazy sahaza azy izy itony mba ahafay azy sy handrindrana ny tanàna » hoy i Liva,mpamboly.
« Manamarika ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny mponina ny tranga toy izao. Efa tsy mifidy fotoana, tsy mifidy angalarina ireo olon-dratsy. Mila mandray fepetra ny tomponandraikitra satria mihorohoro ireo mponina » hoy i Haja, raim-pianakaviana.
Zava-dehibe ny fametrahana ny hetsika tana-maron’ny fandriam-pahalemana sy ny andrimasom-pokonolona eny ifotony. Izany hetsika izany no miaro ny mponina amin’ny asa ratsy ka tokony apetraka sy omena vahana eny amin’ny fokontany.