France: Mila hampitomboina ny isan’ny trano fonenana ao anatin’ny enin-taona manaraka
Mila manorina trano fonenana fanampiny manodidina ny 400.000 eo i France, isan-taona hatramin’ny 2030, noho ny fitomboan’ireo tranga ara-tsosialy, mampisarabazana ny isan-tokantrano any an-toerana amin’izao fotoana,anisan’izany ny fisaram-panambadiana,ny fahanterana sy ny antony maro hafa. Ankoatra izany, hita taratra ao France ihany koa ny fitomboan’ny isan’ny mponina, kanefa tsy mifanaraka amin’izany ny fonenan’ireo mponina fa miaina amin’ny toerana kely.