Ambohimanga : Ireo tsara ho fantatra alohan’ny handehanana any amin’ny Rova
Toerana manan-kasina sy manan-tantara i Ambohimanga noho izy tanànan’ny mpanjaka. Manana ny lazany hatramin’izao ity kaominina iray eto Avaradrano ity, ary be mpitsidika. Toerana azo tsidihana tokoa ny Rovan’Ambohimanga, saingy betsaka ireo tsara ho fantatra mialohan’izay.
« Mila fantarina tsara ny toerana iray alohan’ny handehanana any. Mbola misy mantsy ireo toerana fady sy manan-kaisna eto amintsika ka tsy azo otaina » hoy i Alviro, mpahay tantara. « Misy ny saram-pidirana eto amin’ny Rova. 400 Ariary ny olona iray ary 600 Ariary ny fakan-tsary iray, eny fa na ny finday aza. Marihina fa tsy azo alaina sary ny ao anatin’ny trano rehetra fa ny ivelany ihany. Fady kisoa sy akoho ary tongolo sy osy i Ambohimanga Rova. Tsy tokony hihinana an’ireo mihitsy na mitondra an’ireo rehefa hiditra ato » hoy ny mpitari-dalana iray any an-toerana.
Tsara foana ny miresaka amin’ny tompon-tanàna mba tsy hanana tsiny. Efa ho avy indray mantsy izao ny fotoam-pitsangatsanganana amin’ny andron’ny Pentekoty, izay fotoana fitsidihan’ny fianakaviana ireo toerana mahafinaritra. Isany amin’izany i Ambohimanga Rova.