Etats-Unis : Niniana natao ilay fifampitifirana niseho tao Louisville
Araky ny vaovao nampita omaly teto amin’ny pejy dia lehilahy iray, 25 taona no nanokatra ny fifampitifirana tao amin’ny Old National Bank tao Louisville, Kentucky ny alatsinain’ny paska teo ary nahafaty olona dimy. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manam-pahefana dia mbola nitifitra io lehilahy io ka tsy maintsy nisy ny fifampitifirana teo amin’izy ireo raha ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy ao an-toerana, Jacquelyn Gwinn-Villaroel.
Lavo ny bala moa io nahavanon-doza io ary rehefa natao ny fanadiadiana dia fantatra Connor Sturgeon no anaran’ity farany. Mpiasa tao amin’ny banky araky ny petra-kevitra nataon’ny polisy izy saingy efa voaroaka. Heverina fa valifaty ny nataon’io tovolahy io manoloana izany. Mpiara-miasa tamin’i Connor Sturgeon, Juliana Farmer, 45 taona, Thomas Elliott, 63 taona, Joshua Barrick, 40 taona, Deana Eckert, 57 taona, ary James Tutt, 64 taona kosa ireo sivily maty nandritra ny fitifirany. Manam-pahefana iray ihany koa no mbola eo ambavahoan’ny fahafatesana vokatr’izany amin’izao fotoana.
Marihana fa namela taratasy ho an’ny fianakaviany io lehilahy io talohan’ny nanatanterahany ny asa ratsiny. Nalainy horonantsary nivantana tamin’ny tambajotra sosialy kosa ny ampahan’ny fanafafihana nataony.
