Mayotte : Nahazo ofisin’ny rano ny nosy
Mayotte irery no faritanin’i Frantsa tsy manana ofisin’ny rano. Rehefa nangataka nandritra ny taon amaro izy ireo dia tafapetraka ihany izany. Raha tsiahivina dia tolo-kevitra narosoan’ny CGEDD (Conseil général de l’environnement et du développement durable) tao an-toerana izany taorain’ny fanatanterahan’izy ireo iraka tao amin’ny nosy arakin’ny fangatahan’ny ministeran’ny tetezamita ara-tontolo iainana sy ny firaisan’ny faritany sy ny Outre-mer.
Anjara asan’io ofisy vaovao io ny miandraikitra ny fandalinana sy fanaraha-maso ny loharanon-drano amin’ny tontolo anaty rano rehetra mba hiantohana ny fitahirizana izany. Misahana ny fanampiana amin’ny fitantanana ny tetikasan’ireo mpandraharaha amin’ny rano sy fidiovana ary fampiroborobo ny hetsika fanofanana ho an’ny mpiasa ihany koa izy ireo.
