Etats-Unis : Ankizilahy 5taona namono ny rahalahiny tamin’ny antsy
Niafara tamin’ny famonoana olona ny fifamaliana kely teo amin’ny kambana roa, izany no nitranga tany Kalifornia any Etazonia. Ankizy iray, 5 taona, no notsatohan’ny rahalahiny antsy ka tsy tana intsony ny ainy.
Ady kely miafara amin’ny fahafatesana
Araka ny vaovao nampitain’ny fampitam-baovao teny an-toerana dia ny 15 novambra teo no nisehoan’ity loza ity tao amin’ny tokantranon’ny fianakaviana iray any amin’ny faritr’i Santa Cruz. Tao an-trano ny ray aman-drenin’izy roa lahy kely vao nitranga ny loza. Nifandray avy hatrany tamin’ny tompon’andraikitra teny an-toerana izy ireo.
Ny tatitry ny fanadihadiana, notaterin’ny Lookout, dia miresaka fifamaliana mahazatra eo amin’ireo kambana 5 taona. Nifamaly toy ny fanaony matetika izy ireo araka ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana. Nandritra ny ady dia naka antsy tao an-dakozia ny iray tamin’ireo tovolahy ary nanatsatoka ny rahalahiny. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly ilay zazalahy, saingy tsy tana intsony ny ainy.
