ActualitésTsidika

 Ankadikely Ilafy : Manao ny ezaka amin’ny fanalana ireo fako ny tomponandraikitra

Manao ny ezaka amin’ny fanalana ireo fako eny amin’ny fokontany ireo tomponandraikitra misahana izany ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny herinandro lasa teo, niezaka nanala ireo fako sy namerina ny fahadiovan’ny toerana izy ireo nandritra izany, araka ny voalaza.

« Tsara foana ny mampahafantatra ny be sy maro mahakasika ireo asa vita eto an-toerana. Ny tomponandraikitra dia manao ezaka hatrany amin’ny fanalana ireo fako ety an-toerana ara-potoana, ka tokony hanohana sy hiara-hientana amin’ny fikajiana ny fahadiovana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Anisan’ny olana mahatonga ny fivangoan’ny fako na mampiparitaka izany amin’ny faritra maro eny amin’ny fokontany dia ny tsy fanalana izany ara-potoana, eo ihany koa ny fahampian’ny fitsipika mifehy satria misy amin’ireo mponina manana fahazarana tia manarinary fako eny rehetra eny, indrindra fa tany malalaka, ka mora manaparitaka ny fako, mandoto ny tanàna” hoy i Mbolatiana, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Fiaraha-mientana no mampisy fandrosoana. Tsy voatery hiandry ny tomponandraikitra tokoa vao hadio ny tanàna. Manana anjara andraikitra ny tsirairay ao anatin’izany satria raha samy mikajy ny fakony dia tsy hisy ny fako miparitaka, manome endrika ratsy ny tanàna.

Manitra R.

Laisser un commentaire