21 jona : Andro natokan’ny fikambanambe maneran-tany momba ny toetry ny andro hisarihana ny saintsika mahakasika ny fihafanan’ny tany
Miovaova ny toetr’andro, ary miteraka olana eo amin’ny tontolo iainana izany ; avy eo miantraika mivantana amin’ny olombelona. Tsy nitsahatra nihanafana ny tany indrindra nanomboka ny taona 1985 ary nihanahery vaika izany teo amin’ny taona 2000 ka hatramin’ny 2019 raha ny seho an-tsary navoakan’ny Fikambanambe maneran-tany momba ny toetry ny andro.
Mila mandray andraikitra maika ny rehetra mba hampiatona io fiakaran’ny hafanan’ny tany io amin’ny alalan’ny fampihenana ny tahan’ny entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) ao anatin’ny atmosfera. « Raha ny eto amintsika manokana izao, hitako fa ny fandoroana ity no tena manimba ny tontolo iainana ka tsy mampitombana intsony ny toetry ny andro » hoy ny fanehoan-kevitrin’ny olom-pirenena iray. Tsy diso izany, manao izay fanentanana araka izay vitany ny fitondram-panakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy.
Isan’ny vahaolana ny tsy fandorana tanety, ny fampihenana ny fampiasana fitaoavana mamoaka entona mangeja hafanana toy ny « gaz carbonique » sy ny mitovy aminy. Izany indrindra no hisarihana ny saintsika indrindra isika eto Madagasikara mba hikajy ny ala, hamboly hazo, hampiasa angovo maitso azo avy amin’ny herin’ny masoandro na herin’ny rivotra, miezaka mandeha tongotra na mampiasa tongo-malady mba tsy hisian’ny sekotra avoakan’ny fiara izay tena antony lehibe ihany koa. Miainga amin’ny tsirairay ny hetsiky ny vahoaka, Malagasy tokony ho tia sy hiaro ny tontolo iainana isika satria manana natiora kanto indrindra.
Nicole Rafalimananjara
