Social

Tranga fanolanana, tsy mifidy taona intsony ireo mpanao ratsy.

Mahazo vahana eto amintsika mihitsy tatoato ny resaka fanolanana. Ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora, eny fa na dia ny olondehibe mihitsy aza, no tsy ampy eto Madagasikara. Matetika tokoa mantsy lasa zary mahamenatra ny miresaka izany fananahana izany, hany ka manaotao foana indrindra ireo tanora miala sakana. Manamarina ity tranga iray ity, Ramatoa lehibe 70 taona indray izao no niharan’ny herisetra sy fanolanana nataona tovolahy iray 19 taona tao tsimalakiky Ambohimarina, distrikan’Analalava. Tsy vitan’ny tsy mifidy taona ity olon-dratsy ity fa tsy mifidy fotoana ihany koa satria tamina fahoriana tao an-tanàna no nanararaotany nanaovana ny asa ratsiny rehefa iny handeha handevina iny ny olona. Noho ny halaviran’ny toerana handevenana moa dia nandeha mialoha ity ramatoa nohon’ny fahanterany. Tamin’izany fotoana izany no nararaotin’ity tovolahy kely ity. Toerana mangina no sady naha-irery ilay ramatoa no nokendreny. Ankoatrin’ny fanolanana, lasany ihany koa ny vola 300 000ar tany amin’ilay ramatoa ary rehefa vitany izany dia nokasainy kapaina tamin’ny famaky ilay ramatoa saingy voatohiny tamin’ny tanany ilay famaky ka ny ankihibeany no naratra tamin’izany. Fanontaniana mipetraka ny hoe : fa nataon’ity ramatoa efa antitra ity inona tany am-pandevenana anefa ilay vola be io ? Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ity olon-dratsy ity ary efa napiakariny fampanoavina androany. Mila mitandrina hatrany ny tsirairay satria tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary matetika dia olona akaiky ihany izy ireny. Ilaina ihany koa ny malina rehefa mitondra vola be tahaka izany mba tsy hanome fankam-panahy ny hafa. 

Nicole Rafaimananjara

Laisser un commentaire