Ny fahatsaran’ny lalana no mitarika ho any amin’ny fampandrosoana.
Anisan’ny manana anjara toerana lehibe eo amin’ny amin’ny firenena iray ny fahatsaran’ny lalana. Ny lalana no mitondra fampandrosoana ho azy ka tokony ho isan’ireo laharam-pahamehana izany. Ny faharatsian’io lalana io no mampitaraina ny vahoaka kanefa ny fanjakana tsy mitsahatra mikaroka vahaolana ny amin’izay. Vita tamin’ny herinandro ny fanamboaran-dalana natao teo 67 Ha sy Ambondrona. Roa volana no nanaovana izany tetik’asa izany ka izao vita soa aman-tsara izao. Tonga teny an-toerana ny ben’ny tananan’Antananarivo sy ny governoran’ny faritra Analamanga nijery izany zava-bita izany. Santatra fotsiny ihany izao fa efa maro ireo tetik’asa fanamboaran-dalana efa ho vita. Fananana iombonana ireny lalana irenyka aoka samy ho saro-piaro amin’ny fampiasana izany ny tsirairay ho antoky ny fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
