ActualitésTsidika

Jirama : Ho tapaka ny famokarana ny herinaratra ny faran’ny herinandro

Hisy ny fahatapahan’ny famokarana herinaratra ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo ny faran’ny herinandro izao. Mandritra izany no hanamboarana ny fantsona lehibe mitahiry rano manodidina ny toby mpamokatra ao Andekaleka.

« Mila miomana dieny izao isika ny amin’izay fahatapahana izay, mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny, satria natao izao mba hisorohana ny tsy fahametezana eo amin’ny angovo eto Antananarivo ka tsy aleo miafy andro vitsy toy izay hiaina delestazy matetika » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo. « Efa matetika loatra ity fanamboarana ity fa tsy hita ihany izay vahaolana, ny delestazy mila ho isan’andro etsy an-kilany miakatra ny vidin-jiro, tsy misy fifampitsinjovana mihitsy fa ny azy ihany no fantany » hoy i Harilala, tanora maneho ny heviny ao amin’ny tambajotran-tserasera. « Ny zoma izany dia efa hanangona herinaratra hampiasaina ny faran’ny herinandro sa ahoana ilay mila miomana ? » hoy i Thierry, mponina ao Ankadindratombo.

Efa ela tokoa no hita ny gaboraraka sy tsy fandehanan’ny asan’ny Jirama amin’ireo fitarainana maro voaray, indrindra manoloana ny fiakaran’ny vidin-jiro kanefa efa tapaka foana ihany ny herinaratra. Ny hafa aza leo ny mitaraina dia mampiasa angovo azo avy amin’ny masoandro. Natao hanamorana ny fiainana tokoa ve ny herinaratry ny Jirama ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire