Alasora : Afaka nojerena teny an-toerana ny valim-panadinana baccaloréat ny alahady teo
Nivaly soa aman-tsara ny valim-panadinana baccalauréat ho an’ny faritra maro, anisan’izany Antananarivo. Azo lazaina ho tsara ny vokam-panandinana hoy ny tompon’andraikitra misahana ny valim-panandinana.
Ho an’ny kaominina Alasora manokana dia nanomboka ny alahady 21 aogositra 2022 tamin’ny 5 ora maraina teo no afaka nojerena teny an-toerana ny valim-panandinana. Toerana telo no afaka ijerena izany ho an’ny kaominina Alasora, eny amin’ny tabilao fametrahana afisy eny anivony kaominina, eny amin’ny lycée TASC Alasora, ary azonao jerena ao amin’ny pejy Facebook commune Alasora ofisialy ihany koa izany.
Mankahery hatrany ireo izay tsy afaka, ary miarahaba ihany koa ireo afaka.
Famenontsoa Rajerison
