Maty voatifitra ny reniny, ary andro taoriana dia maty ihany koa ny zanany noho ny ratra nahazo azy
Nodimandry ny 15 septambra lasa teo ilay tovolahy vao 20 taona monja naratra nandritra ny fanafihana nisy tany Brieville Ambatondrazaka. Raha tsiahivina ny zava-nisy ny alakamisy 9 septambra lasa teo tokony ho taminn’y 7 ora hariva, andian-jiolahy mitam-piadiana no naka an-keriny ny ramatoa mpivarotra iray ary voatifitra ilay zanany lahy tamin’izany.
« Andian-jiolahy mitam-piadiana no naka an-keriny ramatoa mpivarotra PPN tao an-tanàna, voatifitra teo amin’ny kibony ny zanany lahy nandritra ny fanafihana ka nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly teto Ambatondrazaka » hoy ireo mponina teo amin’ny manodidina. « Rehefa nifanenjehanay iny ireo dahalo dia notifiriny ilay ramatoa mpivarotra ka maty tsy tra-drano teo izy » hoy ireo Zandary.
« Mampalahelo ny zava-nisy, noho ny fitiavam-bola no nahasahiana namono sy nandatsaka ain’olona tahaka izao, tsy tokony ho afa-maina ny ratsy fa enjehina hatramin’ny fakany » hoy i Philippe, mpahay lalàna. Ny rainy sy ny zandriny vavy kely no hany sisa tavela tao anatin’ity ankohonana voatafika ity. Efa eo ampikarohana ireo jiolahy kosa ireo olon-dratsy hatramin’izao.
Nicole Rafalimananjara
