Fanondranana : Laharana voalohany amin’ny fanondranana jirofo i Madagasikara
I Madagasikara no mitana ny laharana voalohany amin’ny fanondranana jirofo maneran-tany, raha faharoa kosa amin’ny famokarana aorian’ny Indonesie. Izany no tatitra avy amin’ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny fanjifana. Nahitana firoboroboana ny sehatry ny fanondranana jirofo tamin’iny taona 2021-2022 iny raha ny tombana izay natao.
« Efa laharana voalohany amin’ny fanondranana ity vokatra ity izao ny Malagasy. Sady manana kalitao no mamokatra betsaka. Raha 25 000 taonina izany fanondranana izany ny taon-dasa dia lasa 40 000taonina izy tamin’ity tao ity. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa tsara teo amin’ny tantsaha sy ireo mpandraharaha ary ny Ministera izay toko telo maha-masa-nahandro ny sehatra toy izao », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.
« Tafiakatra hatramin’ny 224.7 tapitrisa dolara ny vola vahiny niditra teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanondranana jirofo fotsiny. Maro ny tombony nitombo tamin’ity taom-piotazana ity ka tsara tazomina hatrany izany hahafahana mahazo vokatra tsara », hoy hatrany ny fanazavana.
« Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity ary ireo mpandraharaha mpandray vokatra ihany koa efa manaraka ny lamina sy ny fenitra izay napetraky ny Ministera ka tsy maty antoka izahay tamin’izany. Ny fikarakarana ny voly ihany koa nahomby satria efa notolorana fanampiana hatrany izahay tantsaha. Raha toy izany hatrany dia tsy ho ela dia hiditra amin’ny sehatry ny matihanina ny famokarana jirofo eto Madagasikara ka hiakatra ny fidiram-bola ho an’ny tantsaha », hoy ny solontenan’ireo tantsaha.
Anisan’ny fepetra noraisin’ny fanjakana hanatrarana izany laharana voalohany izany ny fijerena ireo mpandraharaha matotra amin’ny asany mba handray anajra amin’ity sehatry ny jirofo ity. Fepetra noraisina ihany koa ny tsy maintsy hamerenana ny vola vahiny, ny fandoavan-ketra mialohan’ny fahazoana alalana hanondrana any ivelany. Sehatry ny jirofo no ahitana izany ka nahazoana vokatra tsara. Azo atao tsara ihany koa ny mampihatra izany amin’ny sehatra hafa ampifanarahana amin’ny asa misy any.
Miora Raharisolo
