SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo fitaovana ireo mpianatra mpanala Bakalorea

Notolorana fitaovana ho entina miatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea ireo mpianatra ao amin’ny L.M.A.I (Lycée Moderne Ankadikely-Ilafy). Marihina fa hanomboka ny Alatsinainy 18 Jolay 2022 izany fanadinana izany manerana ny nosy.

« Isaorana ny rehetra tamin’ny fanomezana sy ny fanampiana anay mpanabe teo amin’ny fampianarana ny ankizy. Isaorana manokana ny Ben’ny Tanana, Rajaonah Rija nanaiky ny ho ray mpiahy ity andiany « SAHY » ity » hoy ny Talen-tsekoly ao amin’ny LMAI. « Mirary soa sy mankahery anareo mpianatra hiatrika izany fanadinana izany ao anatin’ny filaminana. Ianareo tokoa no reharehan’ny tanàna rahatrizay » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Fitaovana toy ny penina, pensily hazo, fitsipika, famafana, compass ary classeur no fitaovana nozaraina ho azy ireo. Hinoana fa hizotra tsara am-pilaminana ny fanatontosana ity fanadinana ity manerana ny nosy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire