Etats-Unis : Harvard, oniversite malaza eran-tany
Oniversite tsy miankina ao Cambridge, tanàna ao amin’ny faritr’i Boston ao Massachusetts i Harvard. Niorina tamin’ny taona 1636 izy, ary sekoly ambony ela nisiana indrindra ao Etats-Unis. Iray amin’ireo oniversite manana ny mahaizy azy indrindra eran-tany i Harvard noho ny lazany sy ny tantarany ary ny harenany. Nomena ny anarana hoe Harvard izy ho fanomezam-boninahitra ny pastera John Harvard, izay nanome ny antsasan’ny fananany sy tranombokiny ho an’ny toeram-pianarana tamin’ny taona 1638.
Voasokajy ao anatin’ny oniveriste tsara indrindra eran-tany ihany koa izy. Tafiditra ao anatin’ny Ivy League, vondrona oniversite valo sangany ao amin’ny morontsiraka atsinanan’i Etats-Unis izy. Misarika olona avy amin’ny firenena maro izy, tamin’ny taona 2004 dia mpianatra nanana karazam-pihavana 132 no hita tao aminy.
Efa namoaka filoham-pirenena valo, mpitondra maherin’ny 30 maneran-tany, mpanefoefo 188, mpisitraka vatsim-pianarana « Rhodes » 369 sy mpisitraka vatsim-pianarana « Marshall 15″, »Marshall 16 », « Marshall 17 » 252 ny oniversite. Nahazo « Prix Nobel » 160 ihany koa izy ny taona 2020 izay avy tamin’ny mpianatra, mpamianatra ary mpikaroka samihafa.
