ActualitésTsidika

Chine : Manatanteraka fifaninana fanorenana trano ratsy indrindra ao an-toerana

Efa manomboka ny andiany faha 12 amin’ny fifaninana fanorenana trano ratsy indrindra ao Chine. Efa trano maherin’ny 90 no nisy nametraka tao amin’ny tranokalan’ny Archcy ary efa maherin’ny 30 000 ireo mpikirakira ny tranokala nifidy tamin’izany. Ny ao amin’ny tamba-jotra sosialy mantsy no mamaritra izay trano ratsy indrindra ary amin’ny volana desambra izao no hifaranan’izany fifidianana izany.Ankoatra ireo dia hitsara ny trano ihany kosa ireo efa manam-pahaizana amin’ny tao-trano sy ireo manam-pahaizana ary ireo mpitsikera. Fepetra 9 no harahina amina amin’ity fifaninana ity ary 10 ihany no ho raisana amin’ireo 90 ireo. Anton’ity fifaninana ity ny famehezana ny fanorenana trano lehibe ao an-toerana. Marihina fa tsy azo atao ny manorina trano mihoatran’ny 500 metatra ao an-toerana nanomboka ny taona 2020 ary anisan’ny nanohana ity lalao ity ny fitondram-panjakana.

Laisser un commentaire