ActualitésTsidika

France : Vehivavy iray tao Toulouse nanindrona antsy ny rainy

Lehilahy 70 taona no notsindronin’ny zanany vavy 27 ny antsy tao Bellefontaine ao Toulouse ny alahady teo. Mbola tsaboina ao amin’ny hopitalin’ny Rangueil ao Toulouse kosa ity lehilahy ity saingy hahatahorana ny ainy raha ny fanazavana. Vetivety ihany dia tonga tao an-toerana ny mpamonjy voina ary olona efa niboridana sy feno raha nitsirara tami’ny tany no hitan’izy ireo. Naratra teo amin’ny sorony izy ary efa nisokatra ny fanadiadiana izay mety antony nanindronan’ity vehivavy ity antsy ny rainy.

Laisser un commentaire