Irlande : Moher Cliff, toerana ho an’ny olona sahisahy
Ny « Falaises de Moher » dia vondrona hantsana hita ao amin’ny kaominin’i Liscannor, ao atsimo andrefan’i Burren, Comté de Clare. 8 km ny halavan’io hantsana io ary mahatratra hatramin’ny 214 m eo ambonin’ny ranomasimbe Atlantique izy.
Nanorina tilikambo antsoina hoe « Tour O’Brion » teo afovoan’io hantsana io i Sir Cornelius O’Brien tamin’ny taona 1835 mba hafahanan’ireo mpizaha tany mitazana ny hatsarana manodidina ny toerana. Tazana eo amin’izany tilikambo izany ny Nosy Aran, ny Baie de Galway ary ny tendrombohitr’i Connemara.
Io « Falaises de Moher » no isan’ny toerana be mpitsidika indrindra ao Irlande. Maherin’ny 1 tapitrisa isan-taona ny mpizahatany tonga ao an-toerana. Nanomboka ny taona 2008 kosa dia nofaritana ho faritra arovana mba hitandrovana ny biby indrindra ireo voron-dranomasina io toerana io.
