Alasora : Nanao fanadiovana faobe ny kaominina sy ny fikambanana Kolotanana
Ny talata lasa teo no nanatanteraka ny fanadiovana faobe ireo mpandio ny kaominina Alasora sy ny fikambanana Kolotanana. Ny teny amin’ny fokontany Amboaroy no nananterahana ny hetsika.
« Tsy mitsahatra mifanentana amin’ny fanadiovana ny mpanadio fokontany ao amin’ny kaominina. Natao ihany koa izany mba hanabeazana, hisarihana ireo mponina eny ifotony mba hahalala madio, hahay hitandro ny fahadiovana” hoy I Sandrine, mpanadio.
“Ny fanentanana ny mponina halhalala madio, hitazona ny fahadiovana nataon’ireo tomponandraikitra no tena tokony hamafisina. Tokony samy hahay hifehy tena tsy hanary ny fakony eny andalana sy anaty tatatra dia efa voatazona ny fahadiovana » hoy i Mino, mponina ao Amboaroy.
Mila mifampitaiza ny rehetra mba hananana filaminana sy miaina anaty fifanajana. Tsy voatery hiandry ireo mpandio avy amin’ny fikambanana sy ny kaominina anefa vao afaka madio ny tanàna. Afaka samy manadio ny tandrify azy ny tsirairay, ary asiana lalàna ho an’ireo mpandoto. Mila fahafehezan-tena tokoa izany ary tokony atao an-tsaina hatrany, fa rehefa tsy mandoto dia efa manadio.
Manitra Ramanantsoa
