ActualitésTsidika

Faritra Atsimo-Atsinanana: nisy nanimba ny foto-drafitrasa mbola tsy notokanana ao Vondrozo

Mpiambina ilay toerana sy ny zanany ihany no tompon’andraikitr’izao fandrobana izao raha ny vaovao voaray.

Nisy nandroba ny hopitaly manara-penitra iray izay mbola tsy notokanana akory. Varavarankely sy fitaratra tao amin’ny hopitaly no lasibatra tamin’izany ka izao tratra izao rehefa natao ny fanadihadiana. Hita tany antranon’ilay mpiambina ireo fitaovana very tao amin’ny hopitaly ka nitarika azy no voarohirohy tamin’ity resaka ity. Olona dimy izy ireo no tompo’antoka ka mpividy ireo halatra ny 2 tamin’izy ireo.

“tsy misy manampo na mahafantatra izany hoe iza no mety mpanao ratsy fa mila mailo foana amin’ny olona hitokisana tahaka izao, ilaina fiaraha-miasa amin’ny vahoaan hatrany ny asa toy izao izay hisaorana azy ireny”, hoy ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena. “Misy amin’izy ireny zara raha mandray karama, tsy any irery izany fa maenrana ny nosy fa ny tany aloha no tratra, mila fijerena manoka izany saingy na ziany aza faizina foana ny mpangalatra”, hoy i Jimmy, mponina ao Vondrozo.

Samy maty antoka na ny fanjakana nanangana na ny vahoaka noho ny etraketraky ny olombitsy. Tsy azo ekena mihitsy ny toy izao na dia mety hoe maro aza no mahatonga izany olana izany. Olana goavana mbola sarotra hialana eto Madagasikara izany halatra izany ary ilaina fitadiavana vahaolana maharitra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire