Sabotsy Namehana : Velom-panantenana ireo mpiadina ny fanadinana BEPC
Mpiadina miisa 9 132 no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana BEPC teto amin’ny Distrika Avaaradrano, izay miparitaka ao anatin’ny toeram-panadinana miisa 30. Ny 1 015 amin’ireo dia mpiadina avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana avokoa.
« Nizotra tsara ny fankalazana ny fanadinana BEPC teto Sabotsy Namehana. 11 tamin’ireo mpiadina no tsy tonga nanatrika izany » hoy ny Tompon’andraikitra. « Toeram-panadinana miisa roa no hita teto Sabotsy Namehana. Tany amin’ny CEG Sabotsy Namehana, sy ao amin’ny MASCA no nanaovana ny fanadinana teto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
Marihina tsy nisy ny « fuite de sujet » teto Avaradrano fa nanaraka ny rariny sy ny hitsiny tsara ny fanadinana. Velom-panantenana ireo mpiadina ny hahomby na dia misy ahiahy kely aza amin’ny resaka fahasarotana teo amin’ny mathematiques.
Nicole Rafalimananjara
