ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo fiofanana ao amin’ny CFPF Antsofonondry

 Misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny cfpf Antsofonondry, kaominina Sabotsy Namehana amin‘izao fotoana izao. Fiofanana mahakasika ny zaitra sy ny peta-kofehy, ny sakafo sy ny lakozia ary ny informatika no hanombohana izany ho an’ny taona 2023, araka ny voalaza.

“Miditra amin’ny andiany faha 10 izao ny fiofanana ato amin’ny ivon-toerana ka dia miantso an’ireo tanora, ny tovovavy indrindra indrindra hisoratra anarana sy hanaraka fiofanana ato amin’ny ivon-toera fa efa maro ireo nahita tombotsoa” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

“Maharitra telo volona ny fiofanana ato amin’ny ivon-toerana ary misy ny fanolorana marim-pankasitrahana amin’ny faran’ny fiofanana. Tsy misy ny saram-pianarana ao anatin’izany” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Ho an’ireo izay mila fanazavana fanampiny moa dia afaka miantso ny laharana 0340753482 na mantona ny ivon-toerana. Misokatra manomboka ny 09 Janoary 2023 ny birao ao anatin’izany ary ny 16 Janoary 2023, manomboka amin’ny 8ora maraina kosa ny fidirana amin’ny fiofanana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire