Ankadikely Ilafy: Niroso tamin’ny fanamboarana ny lalana rari-vato ny kaominina
Niroso tamin’ny fanamboarana ireo lalana rari-vato izay nahitana fahasimbany, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo. Natao izany mba hisian’ny asa fampandrosoana ao anatin’ny fahasamihafana, raha ny voalaza.
“Manao ezaka hatrany ny eto anivon’ny kaominina amin’ny fanakaikaizana sy famaliana ireo antso ataon’ny mponina, indrindra ny fanamboarana ireo lalana izay hita fa misy fahasimbana ety an-toerana. Atao izany mba ho fampandrosoan’ny kaominina hatrany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
“Tsy vitan’olo-tokana ny asa fampandrosoana ny faritra iray ary hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fandraisana an-tanana tahaka izao. Izany indrindra no hanaovana fanentanana ny rehetra mba hikolokolo ireo asa vita satria izany no antoky ny fandrosoana” hoy I Liva, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Anisan’ny hery manohana ny fanatanterahana asa fampandrosoana tahaka izao ny fahaizana mankasitraka sy ny fikolokoloana ireo asa mba hateza. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientana eo amin’ny rehetra ny amin’ny fanajana sy ny fikojana ny asa vita tahaka izao, mba ho tombotsoan’ny rehetra.
Manitra Ramanantsoa
