Telma Coupe de Madagascar 2022 : Voafaritra ireo ekipa hiady ny amboaran´i Madagasikara
Tontosa ny antsapaka nahafahana namaritra ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny amboaran´i Madagasikara. Hifanandrina amin’izany ny Fosa Juniors sy Ajesaia, eo ihany koa ny an´ny Disciple FC sy ny AST (ex Cnaps) mameno ny fandaharana ny lalao eo amin´ny AS Fanalamanga sy Eden sport ary Elgeco plus sy JFC Toliara.
Noho ny daty farany hanomezana ny anaran´ny tompon´amboara any amin’ny CAF efa antomotra (3 jolay) dia ho tanterahina eto Antananarivo avokoa ireo lalao rehetra ka kianja roa Ambohidratrimo sy By pass no handray izany ka ny 24 jona izao no htontosaina ny ampahefa-dalana (1/4 finale), ny 29 jona ny lalao manasa-dalana (demi-finale) ary ny 3 jolay 2022 ny famaranana (finale).
