Maurice : Miisa 107 ny olona matin’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ity taona ity
Manoloana ny lozam-pifamoivoizana niseho telo andro alohan’ny taom-baovao tao Beau-Plan, izay nahafaty olona efatra dia tafiakatra 107 isa ny olona matin’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny nosy Maurice tamin’ity taona ity.
Raha hiverenana io tranga io dia fianakaviana iray no maty nandritra io lozam-pifamoivoizana io. Monina tao Résidence Chebe ny roa, tao Albion ny iray ary avy ao La Réunion niala sasatra tao amin’ny nosy ny iray farany. Lehilahy 72 taona kosa no nitondra ny fiara izay nidona amin’ny hazo teny amin’ny lalam-be M1 tao Beau-Plan.
Ny ACP Gukhool kosa no nanadihady manoloana io lozam-pifamoivoizana io ary nosamborina noho ny famonoana olona tsy nahy ilay lehilahy 72 taona.
