ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tafatsangana ny toerana fanatobiana fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga

Tafatsangana ny fitoerana fitobiam-pako, na site pro 3, ao amin’ny service Raoka fako, kaominina Ambohimanambola. Nisy ny fandraisana vonjimaika izany nataon’ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo.

« Anisan’ny toerana betsaka fako miparitaka indrindra, nandritra ny taona maro ny manamorona ny orinasa Pampmad sy ny kianja fanaovana fanatanjahantena. Hatramin’izay, vahaolana ho an’ny mpamboly satria afaka nandoro fako ahazoana zezika. Kanefa olana ho an’ny mpanao fanatanjahatena eo amin’ny setroka ateraky ny fandorana fako. Olana eo amin’ny orinasa manodidina nohon’ny loto ateraky ny fako mitoby » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Vahaolana ahafahana manohy ny fisitrahana zezika amin’ny alalan’ny  » compostage » sy Fanenana ny fandorana mety hisy na fanafoanana izany ary fahadiovan’ny tontolo manodidina, ny fisian’ny SIT-PRO 3. Ho an’ireo izay mbola tsy mpanjifa ny servisy raoka fako dia misy ny toerana tokana ahafahana mandefa ny fako ao anaty ny fitobiam-pako vonjimaika » hoy hatrany ny fanazavana.

Raha tsiahivina, rafitra iray natao hanafoanana ny fako isaky ny fokontany ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola ity service ity. Anisan’ny manome asa ho an’ny mponina ao an-toerana ihany koa izany. Misy moa ireo mpanara-maso amin’ny alina sy ny atoandro ary manoro sy mampianatra fa indrindra manentana ny tsirairay amin’ny tokonyatao sy ny fifehezana ny fako.

Laisser un commentaire