PolitiqueTsidika

Miandany amin’ny vahoaka sa amin’ny fitondrana ny mpitandro filaminana ?

Nanao fanambarana ny antoko mpanohitra fa hitolona noho ny fanaparan-kery nataon’ireo mpitandro filaminana indrindra fa ilay tamin’ny Sabotsy 20 febroary lasa teo. Baiko avy amin’ny mpitondra no handraisan’ny mpanohitra ireny ary lasa manana sary ratsy an-dohan’ny olona ihany koa ny mpitandro filaminana. Tsy miandany amin’ny resaka politika ny EMMONAT  hoy izy ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny alarobia 24 febroary lasa teo. Mpanao hery famoretana hoy ny mpanohitra raha mpitandro filaminana kosa hoy ny ankilany. Mpampandry ny fahalemana fotsiny ihany no asany ka tsy miditra amin’ny resaka politika hoy hatrany izy. Mbola ao anatin’izany ihany koa ny fisorohana ny tsy hisian’ny loza sy ny korotana eto amin’ny firenena mba hiarovana ny aim-bahoaka. Inona araka izany ny fandraisan’izy ireo ny mpanohitra? Avy amin’iza ny baiko hisambotr’olona tamin’ny sabotsy teo iny? Ny asany fotsiny ihany marina ve no nataon’izy ireo tamin’ny hetsika farany teo fa tsy nisy ambadika politika ?  

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire