Ny fomba fijerin’ny haino amanjery any ivelany ny momba an’ny Madagasikara ankehitriny.
Anjara asan’ny haino amanjery ny mitondra ny zava-misy marina ho an’ny fiaraha-monina sy ny vahoaka. Samy manana ny fomba fampitany izany na ny eto Madagasikara na ny any ivelany. Raha ny lalàna eto amintsika no jerena, iantohan’ny fanjakana ny fahalalahana maneho hevitra amin’ny fitaovam-pifandraisana amin’ny haino aman-jery. Manan-jo haneho ny heviny sy hampita vaovao amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana ny olona tsirairay na ny fikambananana tsirairay ihany koa. Anjaran’izy ireny ny mandanjalanja ny maha-mety na tsia ny fanehoan-kevitra. Tafiditra ao anatin’izany fandinihana izany ny famoahana ny sary sy ny feo ary ny soratra sy izay rehetra mety ho hafatra hampitaina. Tompon’andraikitra tanteraka amin’ny zavatra hataony anefa ny haino aman-jery amin’ny fanarahana tanteraka ireo fepetra ireo. Nanana ny fomba fijeriny manokana an’i Madagasikara araka izany ny fampahalalam-baovao any ivelany manoloana izao savorovoro politika amn’izao fotoana. Samy nilaza avokoa izy ireto fa nampiasa hery ny mpitandron’ny filaminana nandritran’ny hetsika saika hotanterahin’ny mpanohitra ny asabotsy 20 febroary lasa teo. Namoaka ny heviny indray izany ireto haino aman-jery any ivelany ireto taorianan’ny raharaha maro samihafa nitranga teto amin’ny fireneny. Raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha volamena,izay nanaratsy endrika an’I Madagasikara. Teo ihany koa ny mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny momban’ny banky iraisam-pirenena. Ny fanehoan-kevitrin’ny maro ihany kosa etsy an-kilany no milaza fa efa fahazaran’ny hafa firenena ny manaratsy sy manambany ny firenena Malagasy.
Fanilo Rarivoarilala
