ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Zazalahy 2 sy 5 taona no hita faty tao anaty trano

Mpiray vodirindrindra trano iray tao Dagenham ao atsinanan’i Londres no niantso manam-pahefana rehefa nahare hikiaka tao amin’ny trano teo akaikiny. Rehefa tonga tao an-toerana ireo polisy dia fatin’ankizy roa 2 sy 5 taona no novantanin’izy ireo.

Vehivavy 44 taona antsoina hoe Karla Alexander no voarohirohy amin’io famonoana olona io. Lehilahy iray no nosamborina niaraka taminy saingy navotsitra. Fantatra fa olona akaiky ireo zazalahy ireo ihany ireo nahavanon-doza ireo. Mbola tsy nambaran’ny manam-pahefana kosa ny fomba nahafaty ireo zaza ireo sy ny antony namonoana azy.

Laisser un commentaire