Etats-Unis : Olona roa maty nandritra ny horohorontany tao Californie
Nisehoana horohorontany tany tamin’ny mari-drefy 6 ,4 tao Californie ny alin’ny 20 desambra teo. Tany amin’ny 40 kilometatra tany atsimo andrefan’ny seranan-tsambon’i Eureka no tena voakasika tamin’izany raha ny tatitry ny USGS (Institut américain de géophysique).
Olona roa no maty tao amin’io faritra hoy ny tompon’andraikitra tao an-toerana ary 11 no naratra. Niteraka fahasimbana ara-materialy goavana ihany koa ny horohorontany ary tokantrano 74 000 isa sy toeram-pivarotana maro no tsy afaka nisitraka herinaratra nandritra ny fotoana naharitra.
