ActualitésTsidika

Kolontsaina : Hivoaka tsy ho ela ny horonan-tsarin’ny tantaram-piainan’i Amiraly Didier Ratsiraka

Amin’io taona ho avy io, izany hoe amin’ny 2023 dia hivoaka ilay horonantsary izay hitondra ny tantaram-piainan’i Amiraly Didier Ratsiraka. Ny tantaram-piainnay ara-politika nanomboka ny taona 1972 ka hatramin’ny fotoana nanaovana sesi-tany azy ny taona 2002 no ho tantaraina ao anatin’izany horonantsary izay haharitra 90minitra izany. Ny avy ao amin’ny « Fondation Cceline et Didier Ratsiraka » sy ny SR Production no miara-misalahy amin’izany tetik’asa izany.

« Karazana fijoroana vavolombelona sy « interview » no ao anatin’ny andiany voalohany izay hivoka amin’ny tapaky ny taona 2023 any. Hanaraka azy manaraka eo ny tapany voalohany amin’ny tantaram-piaianan’ity oloben’ny firenena izay lasa fakan-tahaka ity. Niara-niasa tamin’ny fianakaviany sy içreo mpampinatra mpikaroka isan-karazany izahay nahafahana namokaa ny tantara », hoy i Sylvanno Ratsimandresy avy ao amin’ny SR Production.

« Tanjona iray ihany koa ny mba hanehoana ireo lafin-javatra mbola nanjavozavo tamin’ny maro kanefa tokony ho fantatr’izy ireo amin’ny maha Malagasy azy ireo. Olona nanana ny maha-izy azy izany Didier Ratsiraka izany ka izay indrindra no ilaina ny fampahafantarana ny tantarany indrindra mba hahafahana manatsoaka lesona », hoy i Annick Ratsiraka, izay avy ao amin’ny FCDR.

Ity no fiara-miasa voalohany izay hanaovan’ny SR ¨Produsction ny atao hoe « biopic » ka vonona hatrany izy ireo hanome ny tsara amin’ny lafiny ara-teknika miaraka amin’ny FCDR.  Tanjona indrindra ny hahomby amin’ny fampitana ny karisma ananan’ity olo-malaza ity hanentanana sy hanomezana lesona ireo taranaka ho avy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire