Talata Volonondry : Nahazo fanohanana avy amin’ny filoham-pirenena
Nahazo fanohanana avy amin’ny filoham-pirenena malagasy ny kaomin’ny Talata volonondry. Araka ny voalaza, fangatahana efa nataon’ny kaominina izao nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena tao an-toerana ka novaliany izao.
« Ankasitrahana feno ny filoham-pirenena amin’ny famaliana ny fangatahana izay natao ka nanomezany kamiao fanariana fako miampy toeram-panariana fako miisa 5, ny motoculteur, autopompe, moto ary zezika 4 taonina ho an’ny tantsaha » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Fitaovana ilain’ny tantsaha tokoa ary ilaina ho an’ny fampandrosoana ny fambolena ny fitaovana tahaka ireo. Hirariana anefa mba hisitraka izany avokoa ny tantsaha rehetra saria io no fototra afahan’izy ireo ihany koa manatsara ny fivelomany » hoy i Jean Jacques, mponina ao Talata Volonondry.
Raha tsiahivina, nandalo tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny filoham-pirenena nametraka ny vato fototra tamin’ny fanamboarana ny lalana migodana tao an-toerana ka nahatonga ireo mponina sy tantsaha nangataka ireo fitaovana ireo ho an’ny fivelomany.
Manitra Ramanantsoa
