SocialTsidika

Mpitandro filaminana manampy kamboty

Mihanaka ny aretina eto amintsika, tsy misy afatsy ny fiarovan-tena no vahaolana na dia eo aza ny ezakin’ny fanjakana amin’ny fanafoanana ny aretina. Fifanenatanana sy fifanampiana amin’ny samy isika ihany koa no tena zava-dehibe. Tao anatin’izany indrindra no nahatsiarovan’ireo Polisy avy ao amin’ny « Direction des Renseignements et du Contrôle de l’Immigration et de l’Émigration » na DRCIE ny zaza kamboty ao amin’ny Akany Ambatolampy. Nitondra fanampiana sy nitsidika ireto zaza kamboty izy ireo izay notarihan’i CGP Rajaonarison José Andrianasolo, Coordonnateur, Chef de l’Inspection Générale de la Police Nationale. Anisan’ny fanampiana azon’ny ankizy, ny fitaovam-pianarana toy ny kitapo, penina sy ny maro hafa teo ihany koa ny akanjo miampy ny fitaovam-pihinanana ary nahazo Gel désinfectant sy Arovava-orona ihany koa izy ireo hiarovany tena manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Fiaraha-miasa avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny Orinasa Ambatovy ary ny Banky “Societé Génerale”moa no nahazoana ireo fitaovana rehetra ireo. Ilaina ny fifanohanana amin’ny samy malagasy, tsy azo atao loatra ny miandry ny avy amin’ny fitondram-panjakana fa isika mahatsiaro tena no aoka hirotsaka an-tsehatra. Hiara-hivoaka mpandresy amin’ny CoronaVirus no tanjona iombonana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire