SocialTsidika

Mila mitandrina amin’ny ranomasina fa mety ahitan-doza

Loza mateti-piseho ny hoe maty natelin’ny ranomasina ny olona nilomano. Inona no tena zava-miafina tsy hita maso ambadik’ireny ? Misy inona tokoa anaty ranomasina no dia maka ain’olona mihitsy ? Manodidina ny village touristique Mahajanga iny no tena ahitana matetika ary tena mila ho isan-taona mihitsy indrindra amin’ny vanimpotoanan’ny fialantsasatra iny. Tsy ny ranomasina any Mahajanga irery anefa fa efa saika nahitana toy izany avokoa manerana ny ranomasina tena fandehanan’ny olona. Ity indray mitoraka ity izao tany Ambila Lemaitso indray no niseho ny tantara ny 05 Avrily lasa teo. Tsy fantatra loatra na tsy fitandremana amin’ny filalaovana ranomasina na zavatra hafa mihitsy ny ambadik’ity Loza an-dranomasina niseho ity. Mpitsangatsangana miisa 5 izay avy aty Antananarivo no indray natelin’ny ranomasina. Raha maty vokatr’izany ny telo fa avotra soa aman-tsara kosa ny iray saingy tsy hita popoka ny iray hafa. Tsy vao voalohany ny tranga toy izao fa efa mateti-pihavy. Efa tranga nisy taloha ny hoe afaka telo na herinandro aorian’iny fanjavonany iny vao hita ny razana raha mbola nisangisangy ranomasina iny. Tsy misangy tokoa ny ranomasina ary rehefa lasany any mampamangy hoy Ntaolo. Samia mitandrina isika, hajao ny fadifady sy ny fombafomba amin’ny faritra iray mba tsy hisian’ny loza. Tsy izay ihany anefa fa mila malina mandrakariva rehefa mikasika rano na ranomamy io na ranomasina. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire