ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nandray anjara niaraka tamin’ny “caravane médicale” tao an-toerana Ny Sahy

Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanentanana ny hetsika fitsaboana mitety vohitra (caravane médicale) tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, niarahana tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny OFNALAT, ny fikambanana tsy miankina Ny sahy, izay miady amin’ny fidorohana sy ny fifohana zava-mahadomelina ao an-toerana.

“Manana anjara lehibe ny fikambanana mandritra ny hetsika tahaka izao amin’ny fanentanana sy ny fitondrana fanazavana mahakasika ireo didin-dalàna momba ny paraky, ny toaka, ny rongony sy zava-mahadomelina isan-karazany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.

“Nandritra ny fotoana nanatanterahana ny caravane médicale dia nisy moa ny fitiliana isan-karazany sy ny fandraisana an-tanana ireo olona manana olana amin’ny fikorotanana ara-tsaina, ny fanalana sigara, nahafahana nanampy ireo olona te hiala tanteraka amin’izany, izay adidy sy antom-pisian’ny fikambanana” hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny antom-pisian’ny fikambanana Ny sahy ny fanoroana hevitra sy fanampiana ireo olona manana olana na miankin-doha amin’ny sigara sy ny zava-mahadomelina. Izy ihany koa hatreto no fikambanana ato amin’ny Avaradrano manao ny fanentanana amin’ny ady amin’ny sigara sy ny zava-mahadomelina.

Manitra R.

Laisser un commentaire