Comores : Nahazo ny loka lehibe tamin’ny fetiben’ny teatra afrikanina i Soumette Ahmed
Taorian’ny « Prix Passe-portes » azon’i Soumette Ahmed tamin’ny taona 2015 dia nahazo ny « grand Prix » nandritra ny andiany voalohany ny « Festival du théâtre africain » tao Rabat, Maroc indray izy. Amboara iraisam-pirenena fahaefatra azon’io mpilalao an-tsehatra io kosa ity azony tao an-toerana ity.
Seho an-tsehatra mitondra ny lohanteny hoe « «Je n’ai pas de nom» no nentin’i Soumette Ahmed nandritra io hetsika io. Efa tamin’ny taona 2014 kosa io seho io no novolavolainy niaraka tamin’i Thomas Breant. Marihana fa mpifaninana avy amin’ny firenena maro toy i Cameroun, Burundi, Mali, Kenya, Guinée, République démocratique du Congo, Benin, Burkina Faso ary Maroc no nifanandrina taminy nandritra io fetiben’ny teatra afrikanina io.
